Tsy mitsaha-midina ny haavon’ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka, mamokatra herinaratra ho an’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Mitatitra ny Jirama, fa zara raha mahazo 29 na 30 m3 isaky ny segondra ny tosiky ny rano avy any amin’ny tohodrano, raha tokony ho 48 m3/segondra. Milina roa amin’ireo efatra misy any an-toerana sisa no mihodina, ka zara raha mamokatra 60 MW amin’ny 125 MW.
Vokany, hitombo haharitra adiny 2 ora ny faharetan’ny delestazy mifandimby, raha adiny iray teo aloha. Manomboka amin’ny 9 ora maraina izany fanapahana herinaratra izany hatramin’ny 5 ora hariva.
Fandatsahana orana
Vahaolana hitan’ny Jirama ny fandatsahana orana any amin’ny sahandriaka manodidina ny tohodrano mamokatra herinaratra. Araka ny tatitra avy any amin’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro, ho feno amin’ny faran’ny herinandro izao ny fepetra hanatanterahana izany. Nafana be anefa ny andro, raha ny omaly sy ny talata teo.
Eo koa, ny fampihodinana ireo vondrom-pihariana herinaratra mandeha amin’ny solika sy menaka mavesatra. Mety mbola hisedra olana koa anefa ireo noho ny hafanana be loatra, ka hiteraka fanapahan-jiro ihany koa.
Njaka A.