Baolina kitra : lasa any Côte d’Ivoire ny coach Rôrô

Hotanterahina, anio sy rahampitso, any Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny seminera mahakasika ny baolina kitra. Fihaonana, karakarain’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf) sy ny federasiona ivoarianina, iarahana amin’ireo manam-pahaizana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) sy ny firaisan’ny baolina kitra eoropeanina (UEFA).
Manatrika izany ireo mpanazatra, niatrika ny Can 2023 ary ireo teknisianina avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena miisa 42, ka anisan’izany, Rakotondrabe Romual (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Votoatin’ny fihaonana, ny hijerena miaraka ireo pitsopitsony ka hiadiana hevitra amin’ny fanavaozana, ny fifaninanana. Voakasika manokana amin’izany ireo ekipa roa niatrika ny famaranana tamin’io Can 2023, i Nigeria sy i Côte d’Ivoire ary ireo nanao ny manasa-dalana, i Afrika Atsimo sy ny RD Congo.
Ankoatra izay, hamakafakana ireo paikady sy ny fametrahana lamina vaovao ho an’ny fanatsarana ny fifaninanana ho avy no hatao mandritra ny roa andro.

Tompondaka

Partager sur: