Fanohanana ny atleta Malagasy : hamatsy fitaovam-panatanjahantena i Turquie

Mitohy ny fisokafan’i Ma­da­gasikara amin’ireo firenena any ivelany. Fiaraha-miasa matotra indray no tapaka, omaly, teo amin’i Mada­ga­sikara sy i Turquie, mahakasika ny tanora sy ny fanatanjahantena. Fantatra taorian’ny fihaonan’ny minisitry ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena, i Abdulah Marson Moustapha, tamin’ny Ambasadaoron’i Tur­quie miasa eto Madagasikara, fa ho ataon’i Turquie vaindohan-draharaha ny fanomezana fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny atleta malagasy. Avy hatrany dia nivory nijery ireo fitaovana maika sy ilain’ny atleta, araka izany, ny teo anivon’ny MJS. Ankoatra izay, vonona hifanolo-tanana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ho an’ny tanora i Turquie. Nanamafy izany, iha­ny koa, ny masoivohon’ny Egypta. Nohamafisin’ny Am­basa­daoron’i Egypta miasa eto an-toerana, i Rabab Said Abdou Abdelhadi, fa miandry izay filan’ny tanora izy ireo ary hanampy avy hatrany. Ha­nampy ihany koa i Egypta amin’ny fanafainganana ny fananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena, toy ny nanamboaran’izy ireo ny kianja baolina kitra tao anatin’ny enim-bolana monja. Anisan’ny tonga nanolo-kevitra sy nifampidinika tamin’ny minisitra ihany koa, omaly, ny teo anivon’ny “Union Africaine”, tamin’ny alalan’ny solontenan’ny filohan’ny “Union Africaine” miasa eto Madagasikara, i Alice Nzomukunda. Fifampire­sahana mahakasika ny fisokafan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra afrikanina, ho an’ny tanora sy ny fanatanjahantena no hevi-dehibe nivoitra nandritra izany.

Mi.Raz

Partager sur: