Noraisin’ny Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy, Rakotomalala Herizo, tetsy Anosy, omaly, ny tale jeneralin’ny BNGRC, miaraka amin’ ny delegasiona anatin’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza voajanahary eo anivon’ny minisiteran’ ny Atitany ao Seychelles. Tanjon’izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana fahaiza-manao ary traikefa eo amin’i Madagasikara sy i Seychelles, indrindra eo amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary.
Mpiasa roa, avy amin’ny «Division de la Gestion des Risques et des Catastrophes» (DRMD) ao Seychelles, no misitraka fiofanana eto Antananarivo, mandritra ny telo herinandro. Fiofanana karakarain’ny BNGRC izy ity ary manodidina ny fitantanana ny loza voajanahary amin’ny endriny maro no hifampizarana, mandritra izany. Sehatra anisan’ny laharam-pahamehana izy ity, ary heverin’ny roa tonta ho tena ilaina manoloana ny ady amin’ny fiovaovan’ ny toetr’andro izay misy fiatraikany amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.
Lin