Tonga eto Madagadikara ireo mpitsabo avy any Turquie, izay avy amin’ny fikambanana mpanao asa soa Hands Giving Lives. Izy ireo izay tonga hifampizara traikefa sy hanatanteraka fandidiana maimaimpoana, mandritra ny fotoana ivahinianany eto. Hiasa ao amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka izy ireo. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly ihany koa izany.
Hifamotoana etsy amin’ny HJRA Ampefiloha ny dokotera amin’ireo hopitaly lehibe 12 eto Antananarivo, ny zoma izao. Andinihina ireo karazana fitoriana ataon’ny olona amin’ny asa fitsaboana ataon’izy ireo izany. Ny holafitry ny dokotera no mampiantso ny fihaonana. Misoroka amin’ny karazana aretina maro ny vaksiny. Izany indrindra no anaovan’ny fanjakana fanentanana momba izany.
Anisan’ny aretina azo sorohana ny raboka, tetanosy, lefakozatra, fivalanana, aretin-tratra, kitrotro, covid-19…. Tokony hahafeno ny vaksiny fototra ny zaza mialoha ny faha-herintaonany. Hotanterahina ny 21 septambra izao ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanadiovana. Misy ny fanentanana mandeha ho an’ireo fikambanana na orinasa na olon-tsotra hirotsaka an-tsitrapo hiara-hientana hanao fanadiovana faobe ny tanàna eto Antananarivo.