Anisan’ny notakian’ny Kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf) ny hanavaozana ny bozaka ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. Raha ny tetiandro, hanomboka ny volana ambony io ny asa fanamboarana.
Raha tsy misy ny fiovana, amboarina manomboka ny volana oktobra ho avy izao ny bozaka filalaovam-baolina ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. Mbola mifampiresaka amin’izay orinasa hanamboatra izany ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao ary mijery izay tolotra mifanaraka amin’ny toe-bola eo am-pelan-tanana.
Fantatra araka ny fanadihadiana natao fa miisa roa ny orinasa vonona hanatanteraka izany. Ny iray avy any Portugal ary ny iray avy any Chine. Araka ny loharanom-baovao azo, tsara toerana hisahana ity fanarenana ny bozaka ao Mahamasina ity, ry zareo avy any Portugal. Efa manana traikefa amin’izany ary efa nisy ny firenena taty Afrika, namboarin-dry zareo ny bozaka, anisan’izany ny tany Gabon sy ny tao Guinée Bissau.
Sorohina tanteraka ny bozaka misy eo Mahamasina amin’izao fotoana izao, ka akarina ny haavon’ny kianja, tsy hiangonan’ny rano rehefa avy ny orana. Aorian’izay, vao hovolena bozaka “hybride”, ka io orinasa io no hiantoka izany. Haharitra 3 volana ny fikarakarana sy ny fahavitan’ny asa. Ankoatra izay, haharitra 20 taona ny antoka, omen’ilay orinasa ho an’ny bozaka maniry eo Mahamasina.
Izy ireo koa no hisahana ny fikarakarana ny bozaka isaky ny enim-bolana. Na ho vita aza ny fametrahana io bozaka io, tsy mbola azo ampiasaina amin’ity taona ity ny kianja fa miandry fotoana maharitra. Araka izany, any ivelany avokoa ny lalao hataon’ny Barea de Madagascar. Tsiahivina fa anisan’ny fitakian’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf), ny hanamboarana ny bozaka ao amin’ny kianja Barea Mahamasina, izay tsy nahazoana fankatoavana.
Tompondaka