Mitohy hatrany ny ezaka samihafa ataon’ny tomponandraikitra misahana ny eo anivon’ny fitsarana, amin’ny fametrahana fitsarana mangarahara sy tsara tantana, lavitry ny kolikoly.
Tanterahina nanomboka ny 10 hatramin’ny 13 septambra 2024, eny amin’ ny ENMG Tsaralalàna, ny atrikasa momba ny fanombanana sy fanadihadiana ny rafitra sy ny fomba fiasa ao amin’ny fitsarana sy ny fonja. Mpitsara, tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny fonja no miatrika izany. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Mandritra ny atrikasa no andinihina sy iresahana ny lafin-javatra maro eo amin’ny fomba fiasan’ny fitsarana, ijerena ny olana isan-karazany ary handrosoana vahaolana. Tanjona ao anatin’izany ny hisian’ ny fitsarana tsara tantana.
“Mifanaraka indrindra amin’ny andry fahatelo, napetraky ny fitondram-panjakana izao atrikasa izao, izay mikendry ny hisian’ ny fitsarana tsara tantana. Mila hampisehoana ny vahoaka ihany koa fa miezaka manadio ny fitsarana ny ministera ka manainga ny rehetra hiady amin’ny kolikoly”. Hoy ny minisitry ny Fitsarana, nandritra ny kabariny tamin’ny lanonam-panaokafana ny atrikasa. Marihina fa atrikasa mikendry ny hahafantatra tsara ny lafiny rehetra amin’ny rafitra ara-pitsarana izy ity. Dinihina ao anatin’ izany ny fomba fiasa, ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny asa, ny fifandraisana eo amin’ny fitaleavana samihafa, ny fifandraisana eo amin’ny minisitera sy ny rafi-pitsarana, ny fifandraisana eo amin’ny fitsarana sy ny fonja, ny fitantanana ny vola ary ny kalitaon’ny tolotra omen’ny fitsarana.
Hitohy any amin’ny faritany hafa ny atrikasa, aorian’ny eto Antananarivo. Manohana hatrany amin’ny fanatontosana izany ny minisiteran’ny Fitsarana, miaraka amin’ny Agence Française de Développement (AFD), amin’ny alalan’ny tetikasa Pajma sy ny tetikasa Fanarenana.
Lin