Lavo ihany ! Maty voatifitry ny zandary tao Ambohimana Farafangana, afakomaly, ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Mesia tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 13 taona. Voaolana ka namoy ny ainy tao amin’ny CSB2 Ambohimana ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy. Voalaza fa efa ela no niharan’ny fanolanana ity ankizivavy ity saingy tsy sahy niteny. Satria, norahonan’ity jiolahy ity ho faty raha milaza izany. Nihombo hatrany anefa ny aretiny noho ny herisetra mahazo azy matetika sady simba be rahateo ny fivaviany. Talohan’ny nialany aina tao amin’ny CSB2 Ambohimana vao nilaza ny momba ilay nahavanon-doza taminy izy. Nosamborin’ny Tafika DSS Vondrozo i Mesia ka natolotra ny zandary. Mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka mety hihatra aminy anefa, nentin’ny zandary ho any Farafangana izy hanohizana ny fanadihadiana rehefa niaiky ny heloka nataony. Nitsoaka tampoka izy teny an-dalana, nanaraka ny lalana niverina any Mahazoarivo. Vokany, nitifitra ny zandary rehefa tsy nanaiky hijanona izy. Nanamafy rahateo koa ny rain’i Mesia fa efa sasatra ny mandoa sazy noho ny famerenan-keloka ataony ny rainy ka tsy nety hiaro azy intsony.
J.C