Olona folo naiditra am-ponja: mpianaka niara-maty novonoina

Niara-notanana vonjimaika any am-ponja ireo folo lahy namono nahafaty mpianaka tao amin’ny kaominina Belobaka, ny 3 septambra teo. Valifaty no namonona ireo mpianaka.

Maty niharan’ny vono sy daroka nataon’ny andian-dehilahy ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy tao amin’ny fokontany Benonika, kaominina Belobaka, ny 11 jona lasa teo. Araka ny zava-nitranga, niaraka nisotrosotro tao amin’ ny tanànan’i Moraranokely, fokontany Marorivo, kaominina Miandrarivo ity raim-pianakaviana ity sy ny lehilahy iray hafa. Niafara tamin’ny ady sy fifampikasihan-tanàna io fisotroana io ka namoy ny ainy tamin’izany ilay lehilahy. Naratra kosa ilay raim-pianakaviana. Ity farany izay voarohirohy ho namono nahafaty io lehilahy voalaza io. Handeha hitsabo tena teny anivon’ny hopitaly vokatry ny ratra ta­min’ny fifamonoana ity raim-pianakaviana ity sy ny zanany no nandrasan’ny fianakavian’ilay namoy ny ainy kendry tohana, ny ampitso.

Vono sy daroka
Nanamparan’ny andian-dehilahy ny vono sy daroka io raim-pianakaviana io sy ny zanany lahy. Maty noho io fikasihan-tanana mafy nihatra taminy io ireo mpianaka. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny raharaha ny mpitandro filaminana. Fantatra avokoa ireo olona nahiana ho nahavanon-doza ka niroso tamin’ny fisamborana sy fanaovana fanadihadiana azy ireo ny zandary. Nitondra fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ireo nahavanon-doza nandritra ny famonoana azy mianaka, araka ny fanadihadian’ny zandary. Na­to­lotra ny fampanoavana ireo olona am-polony voasaringotra. Lehilahy folo notanana vonjimaika any am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: