Hanao ahoana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina? Toa mifampiandriandry be ihany ny rehetra. Tsy firy no efa nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny. Eo koa ny fitarainan’ny manam-pikasana hirotsa-kofidina sasany etsy sy eroa: sarotra ny fahazoana ny taratasy toy ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, ny taratasy fitanisan-keloka, ny fanamarinana ny fandoavan-ketra… Manginy fotsiny ny anto-bola firotsahan-kofidina mahavaky vava ny sasany fa vola no miasa amin’ny fiatrehana fifidianana fa tsy ny hevitra no ampiadiana amin’ny ideolojia politika, vinam-piarahamonina, fandaharanasa…
Amin’izany rehetra izany, tsy hita loatra firy intsony ny antoko politika. Sanatria, lasa izay manam-bola no hoe manao politika? Na vola sisa no tena miasa sy ampiasaina amin’ny fanaovana politika… Tsy hita loatra intsony izay adihevitra politika hoe idelolojia toy inona no tena mety amin’ny Malagasy amin’ny fampandrosoana? Mbamin’izay hoe, izay tena maika amin’ny fampandrosoana ka itakiana fandaharanasa, na izay fomba fiasa azo antoka sy mahomby fa tsy mitsapatsapa… Difotry ny vola izany rehetra izany? Ny tena na ny mpanao politika ihany no antony: tsy manome lanja ny fijoroan’ny antom-pijoroan’ny antoko sy ny tanjony fa variana tamin’ny ady tombontsoa sanatria? Na ny adilahy politika, na valifaty politika…
Dia saro-toerana tamin’ny fifidianana depiote farany teo fa mihamahazo vahana ny hoe tsy miankina na mahaleo tena. Mbola ahina ho izany amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsian’ny Tanàna? Izay tsy manana ny enti-mihetsika no miady sy mandresy. Ho tonga hatraiza? Mila miova ny mpanao politika raha te hanova, mila hevitra no hampiadina fa tsy olona, mila mitambatra sy matanjaka raha te hiady…
R. Nd.