“Ny tiako homarihina: tena sarotra ange izany, tena sarotra… Hasarotina ve ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna? Aiza no hahazoantsika tena maneho izany hoe demokrasia sy ny fahalalan’ny olona izany?”. Io ny fijerin’ny filoha mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, teny Isotry, omaly, tamin’ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eto an-dRenivohitra. Nolazain’ny papa Fransoa tamin’ny fitsidihana an’i Azia atsinanana fa aoka hanjaka ny filaminana sy ny fahafahana. Tsy maintsy apetraka ny filaminana sy ny fahafahana. Nefa tsy izay ny eto Madagasikara, fa raha vao miteny kely na manambara ny ao am-po ny tena dia tonga ny fampitahorana. Tsy olana ho azy kosa ny hoe efa filohan’ny Repoblika no miverina mirotsaka ho ben’ny Tanàna. Miasa miaraka ny vondrona Firaisankina sy ny antoko Tim, fa tsy miarakaraka fotsiny. Miara-manohana izay tokony harotsa-kofidina, na ny avy amin’ ny Firaisankina na ny Tim. Raha misy antontan-taratasy ilain’ny Ovec izay ametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, mbola vonona hatrany izy manampy na manitsy ny zavatra ilainy.
R. Nd.