SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fifaninanana « Open 2è division Analamanga », taranja Volley ball. Fifaninanana izay nanomboka ny 8 septambra ho solon’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara tokony natao tany Alaotra Mangoro. Raha ny voka-dalao farany voaray, nandresy ny CSA tamin’ny seta 3 no ho 0 ny ASI, raha toa ka resin’ny AVBC seta 3 no ho 0 kosa ny VBC, sokajy lehilahy.
Hiatrika ny andiany faha-19 amin’ny “tournoi International de Judo”, ny 29 septambra izao, any Venelles, ny Diaspora Malagasy, taranja Judo. Fifaninanana ho an’ny ekipa no handraisan’izy ireo anjara, izay ahitana 5 mirahalahy: Ratsimbazafy Tiavina (-66kg), Randrianaridera Gabriel (-73kg), Rico San (-73kg), Ralaitsizafy José (-90kg) ary Rakotoarivony Royal (+90kg).
Hatao any Toamasina, ny 4 hatramin’ny 6 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Beach Volley, ho an’ny sokajy Seniors. Ity fifaninanana ity no fifaninanam-pirenena tokana ho an’ny taranja Beach Volley, amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Eo amin’ny Volley lalaovina anaty efitrano kosa, fandaharam-potoana manaraka ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, U23 lahy sy vavy.
Mitohy indray ny fanavaozana sy fanamboarana kianja ataon’ny fikambanana “Espoirs Sportifs de Tuléar”. Ny kianja Basikety, tao amin’ny Prefektiora Toliara indray no nisitraka izay fanavaozana izay. Nambaran’ny filohan’ny EST, fa voasoratra ao anatin’ny tetikasany ny fanavaozana sy fanamboarana kianja ho an’ny tanora izao. Hahazo ny anjarany avokoa ny taranja rehetra.

Partager sur: