Tafika an-dranomasina: hatsangana ny seranan-tsambo miaramila ao Melaky

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanitsian-drafitra sy ny fanaovana ny Tafika ho maoderina ny fananganana fotodrafitrasa maro. Tanjona ny hahafahana mampandroso sy mampivelatra haingana ny asa. Tao anatin’ny roa andro (10 sy 11 septambra 2024) nanao fidinana ifotony any Maintirano ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny Amiraly Tsiriniaina Gabriel, miaraka amin’ireo delegasiona tarihiny. Ha­tsangana any an-toerana ny seranan-tsambo miaramila na ny «base Marine», mba ha­nampy tosika ny fampivoarana iny faritra Melaky iny ny fametrahana izany fotodrafitrasa lehibe izany. Nisy ny dinika nifaovana teo amin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana ka nitarika izany ny Governoran’ny Faritr’i Me­laky sy ny Prefet-n’i Mainti­rano. Taorian’izay, nijery ireo trano hanaovana birao sy hi­toeran’ny miaramila ireo tomponandraikitra. Efa vonona sahady ireo hanolotra ny trano hipetrahan’ireo miaramila hanampy ireo dingana hanatanterahana izany asa izany.

Jean Claude

Partager sur: