Nitsidika ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mara Volamiranty Donna, ny ambasadaoro Indianina miasa sy monina eto amintsika, Bandaru Wilsonbabu. Nifantoka tamin’ny ho fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tona, amin’ny lafiny kolontsaina ny dinika.
Sombiniaina Fotsiny, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Seho tsy dia mahazatra ny toerana, satria hatsikana ranofotsiny no hozarain’ity mpanakanto ity anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Amin’ilay fanaovan’i Sombiniaina Fotsiny azy, mahitsy, miresaka ny andavanandrom-piainana izany.
Tato ho ato, tsy re tsaika loatra ny hatsikana! Na tsy maro aza, manana ireo kalaza amin’ny fampihomehezana ny tontolon’ny hatsikana eto Madagasikara. Somary nangina izy ireo raha oharina amin’ny hira, sary hosodoko, teatra, kabary, sns. Sarotra ampihomehezina ve ny Malagasy sa makamaka bahana ry zareo mpampihomehy sy mpanao hatsikana?
Mora amidy ny zavakanto… Marina amin’ny ampahany io. Misy maro ny kanto ataona mpanakanto no hanaovan’ny Malagasy todi-damosina. Tarika, na mpihira iray manana feo sy fandrindrana manakaiky ny tonga lafatra, kanefa, zara raha misy mpijery. Ny mifanohitra amin’izany, hifanosehana ny mijery azy. Inona ny antony? Miha midina tsikelikely ny fari-pahalalan’ny Malagasy ny atao hoe “kanto”.