Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara sy aty Afrika ny toekarena manga. Manana harena an-dranomasina azo trandrahana sy hametrahana ireo vinam-pampandrosoana samihafa ny Nosy malagasy.
Kitro ifaharan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy aty Afrika ny toekarena manga noho izy misandrahaka amina sehatra maro. Nisongadina manokana nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena momba ny Toekarena manga (JNEB), andiany faharoa, tany Toamasina, ny herinandro teo, ireo fanamby sy ny tombotsoa azo avy amin’ny toekarena manga. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana ihany koa ny tetikasa Refrigepêche/Varuna hanatsarana ny jono sy ny fiarovana ny rohivoara an-dranomasina. « Vovonana iray nanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo firenana mpiara-miombon’antoka ny JNEB ka nahafahana nifanakalo hevitra amin’ny fomba fitantanana ny ranomasina sy nametrahana ireo vinam-pampandrosoana », hoy ny fanazavan’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga (MPEB). Notsindrian’ ny minisitra, Mahatante Paubert, manokana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo firenena manodidina. Tanjona ny hametrahana ny toekarena manga ho andry iankinan’ ny fampandrosoana lovainjafy eto an-toerana sy aty Afrika.
Tondrozotra
Voafaritra nandritra ireo fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo matihanina samihafa ny tondrozotra hanatsarana ny toekarena manga eto amintsika. Noho izany, vonona hametraka ny sehatra ho fanoitra ny fampandrosoana maharitra sy lovainjafy ho an’ny firenena ireo mpisehatra. Tsiahivina fa nisy ny lohahevitra samihafa novoaboasana sy nitondran’ireo matihanina avy eto an-toerana sy avy any ivelany ireo paikady hanatsarana sy hiarovana ny harena an-dranomasina eto amintsika.
Henintsoa Hani