Tsiroanomandidy : dahalo fito maty voatifitra

Lavon’ny basin’ny mpitandro filaminana ny dahalo fito lahy mpangalatra omby, tao amin’ny fokontany An­tsa­ka­viro, kaominina Antsa­halava, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 9 septambra teo. Nirongy fitaovam-piadiana mahery vaika sady nivatsy ody ratsy ireo dahalo. Noraofin’izy ireo ny omby. Nanaradia ny vatan-dehilahy tao an-tanàna. Rai­kitra ny fifandonana tamin’ireo mpandroba. Vokany, namoy ny ainy voatifitra ny iray tamin’ ireo tompon-tanàna. Olona telo hafa naratra. Nigadona tao an-toerana ny zandarimaria. Nanampy isa ireo mpanaradia izy ireo. Niambina ny kizo ahina handosiran’ireo dahalo. Raikitra ny fifampitifirana tao amin’ny kizo Maha­ri­rana, anatin’ny fokontany Andranomavokely, kaominina Belobaka. Nanampoaka basy ireo dahalo ka namaly izany ny zandary sy ny fokonolona. Maty voatifitra nandritra io fifandonana mahery vaika io ny fito lahy tamin’ireo mpangalatra omby. Latsaka teny am-pelatanan’izy ireo ny omby miisa valo nangalariny. Nandositra ny telo lahy namany. Mitohy, araka izany, ny hazalambo ataon’ny zandary miasa ao anivon’ny Vondro-tobi-paritra Tsiroanomandidy ireo mpiray tsikombakomba amin’ireo dahalo ireto. Anisan’ izany, ny mpamatsy omby halatra.

Tsiferana R.

Partager sur: