Iankinan’ny fiainan’ny mponin’Antananarivo ny fitaterana sy ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Mafy ny fitohanana, miteraka fahatarana ho an’ny mpianatra sy ho an’ny mpiasa. Mijery vahaolana ireo tomponandraikitra.
Nihaona ary nidinika momba ny fanatsarana tsy maintsy hatao amin’ny fitaterana eto Antananarivo ny PDS Ramanantsoa Harilala sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry.
Mitaky asa sy fanavaozana ny tontolon’ny fifamoivoizana ary tokony hampiharina ireo efa novolavolaina hamahana izany olana izany dia ny fitohanana lavareny amin’ireo toerana maro eto Antananarivo.
Ankoatra ireo tetikasa goavana 2 efa andalam-panatanterahan’ny fanjakana: ny TPC sy ny Train Urbain, dia misy ihany koa ny paikady fanatsarana ny fifamoivoizana efa misy, ankehitriny.
Efa iaraha-mahita ny fivoaran’ny asa fanamboarana ireo asa roa lehibe ary heverina fa hanampy betsaka amin’ ny fampihenana ny fitohanan’ ny fiara izany rehefa tena am-perinasa.
Ho an’ny fitaterana efa misy amin’izao fotoana, ho hampiharina ireo sosokevitra naroso nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ny Codatu, momba ny fanatsarana ny fitaterana eto amin’ny tanànan’ Antananarivo. Anisan’izany ny fanatsarana ireo tobim-piantsonana sy ny fametrahana ireo fiara fitateram-bahoaka ho matihanina. Voakasik’izany ireo taxi-moto. Nojerena ihany koa ny hampiasana taxi-moto électrique ho isan’ny tetikasa lavitr’ezaka.
Mbola hisy ny atrikasa ho fandrindrana ireo asa miandry, hanatsarana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, iarahan’ireo mpiara-miasa ao amin’ny CUA sy ny minisitera.
Tsy afa-misaraka amin’ny fametrahana ny fanatsarana ny fifamoivoizana ny fijerena akaiky ny sehatry ny Arolozan’ny fifamoivoizana sy ny fandrindrana ny fitaterana efa misy eto an-dRenivohitra. Tafiditra anatin’izany ny kodiarandroa, fiara, sy ireo mpandeha an-tongotra. Tanjona iraisana ny hampihena hatrany ny fitohanana izay miteraka fatiantoka amin’ny fahaverezam-potoana.
Tatiana A