Antenimierandoholona: mifampizara traikefa amin’ny any Cambodge

Manao fivahinianana any Cambodge, nanomboka ny 9 septambra 2024, ny delegasionina avy eo anivon’ny Antenimierandoholona, tarihin’ny Sekretera jeneraliny, Razafin­drazay Mirana. Fa­maliana ny fanasan’ny Se­kretera jeneralin’ny Anteni­mieran­doholona ao Cam­bodge, Kheng Sethikun, no anton-dian’izy ireo any an-toerana. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hifampizara traikefa eo amin’ny Antenimierandoholon’ny firenena roa tonta ary ny hampiroboroboana ny sehatry ny Frankofonia.
Tomponandraiki-panjakana ao Cambodge, maro samihafa, no nihaona tamin’ireto delegasionina malagasy ireto, nandritra izany. Anisany ireo tomponandraikitra avy eo anivon’ny Antenimierandoholona ao Cambodge. Ankoatra izay, eo koa ny hakan’izy ireo traikefa sy fahaiza-manao amin’ity andrimpanjakana malagasy iray ity. Tao anatin’izany indrindra no namelabelaran-dRazafindrazay Mirana ny mahakasika ity andrimpanjakana ity amin’ny ankapobeny sy ny andraikitra maro sahaniny. Teo ihany koa ny fihaonana tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Antenimierampirenena ao Cambodge, Leng Peng Long. Ankoatra ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny parlemanta roa tonta, nisongadina ihany koa ny mahakasika ny diplomasia parlemantera.

Lin

Partager sur: