Cisco Mahabo : nomena tohana ireo mpianatra sangany

Notolorana fitaovam-pianarana sy tohana ara-bola ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC farany teo tany amin’ny faritra Menabe, ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Mahabo. Natao ny hetsika mba ho fankasitrahana feno tamin’ny ezaka nataon’izy ireo nandritra ny fotoam-panalana fanadinana. Hampirisihina ihany koa ireo ankizy hanala ny fanadinana amin’ity taom-pianarana vaovao ity indray.
Nahatratra enina ireo kaominina any an-toerana nanaovana fanentanana hampiditra ny zanany any an-tsekoly. Fantatra izany nandritra ny fitetezam-paritra nataon’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Andrianirina Narcis.

Hanao hetsika kopia faobe
Ankoatra izay, hanatanteraka hetsika kopia faobe ho an’ireo mpianatra mbola tsy manana izany ny fari-piadidiam-pampianarana Mahabo. Tanjona ny hananan’ireo vondron’olona tiliana kopiam-pahaterahana. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava sy ny filohan’ny Cisco any Mahabo, Raphidson Jacques Yves Norbert, ary ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana, Andrianirina Narcis, ahafahana manatanteraka izany.

Mino

Partager sur: