FANTINA sy FINTINA

Hirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna ao Mahajanga ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM eo anivon’ny vondrona Firaisankina, Rakotovao Rivo. Filoham-panjakana mpisolo toerana ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, izy talohan’izao hirotsahany ho ben’ny Tanàna izao. Efa vonona ny antontan-taratasy ho amin’izany.

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ireo solontenan’ny mpianatra ho mpitsara eny amin’ny ENMG, izay niangavy azy mba ho ray mpiahy azy ireo. Nizara traikefa sy torolalana ho azy ireo momba ny asa ny minisitra, indrindra nanentana ny amin’ny ady amin’ny kolikoly.

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, omaly, ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa Harinandrasana. Anisan’ ny nisongadina nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ho fanatanterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana sy ho tombotsoan’ny vahoaka.

Anjaran’ny avy eo amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra indray no nihaona sy nitafa tamin’ny Praiministra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny foibe toeran’ity minisitera ity. Nisongadina tao anatin’izany fihaonana izany ny fijerena akaiky ny tontolon’ny indostria sy ny varotra eto Madagasikara sy ny fanatsarana tokony hatao manoloana izany.

Partager sur: