Foara Analamanga: hampiranty vokatra ny mpamokatra

Hatao ny 20, 21 ary ny 22 septambra ho avy izao etsy amin’ ny tokotany Barea Mahamasina ny foaram-paritra Anala­manga (Regan). Ho hita mandritra ireo fotoana ireo ny vokatra avy any amin’ny distrika 13 mandrafitra ny faritra. Anisan’ izany ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono, ny taozavatra avy amin’ny tantsaha madinika, ny kaoperativa, ny ori­nasa, sns. Eo koa ny tolotra samihafa mifandraika amin’izany.
Andiany faharoa ny “foara Regan”, ka manohana mivan­tana azy ny orinasa Telma. « Tanjona ny hampisehoana vokatra sy tolotra tsara kalitao », hoy ny mpikarakara. Fotoana ihany koa hihaonan’ny mpamokatra sy ny mpanjifa mivantana, ny samy mpandraharaha ary ny matihanina amin’ny sehatra isan-tsokajiny, famelaberan-kevitra. Ahafahana mampirobo­robo ny toekarena maharitra sy ara-kolontsaina eto amintsika. Misy ny fampisehoana fahandro, taozavatra, fampisehoana, kilalao ho an’ny ankizy sns.
Hisy ny diabe miainga eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely hatreny Mahamasina, ho fanombohana ny hetsika. Eo koa ny takarivan-danonana ny sabotsy 21 septambra amin’ny 9 ora alina.

Njaka A.

Partager sur: