Hanasongadinana ny fanamby ho amin’ny fampivoarana ny famokarana sy ny toekarena ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Famokarana (FIA) andiany fahenina. Hojerena manokana ny fandraharahan’ireo tanora sy ny vokatra entiny.
Laharam-pahamehana mandritra ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ ny Famokarana (FIA), andiany fahenina, eny amin’ny Parcs des Expos Forello Tanjombato, ny tanora sy ny fandraharahany. Sampanan-dalana hanohanana mpandraharaha vao misondrotra ny hetsika mba hahafahany mifanakalo hevitra amin’ireo matihaninana sy ireo orinasa misy eto an-toerana. Manana anjara toerana lehibe mandritra ny hetsika ny tetikasa “ProAgro Youth”, izay miara-miasa amin’ ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny fambolena (FIDA), ny Fondation VMZ ary ireo mpisehatra samihafa eto an-toerana. Hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy ny fahitana lalam-barotra, indrindra ny famokarana sy fizarana ny vokatry ny fambolena. « Tanjona ny hahafahany mampivelatra ny fahaiza-manaony sy hampiroborobo ny fandraharahana ataony », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Organisation internationale du Travail (OIT), Vololoniaina Sylviane, nandritra ny fanokafana ny FIA, omaly.
Talenta
« Hisy ny fifaninanana hatao ho an’ny tanora hanasongadinana ny talenta ara-pamokarana sy ny haitao ara-kajy mirindra hahafahan’izy ireo mandresy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka hanohana azy », hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio. Hisy ihany koa ny sehatra hampirantiana ny vokatry ny asa sy ny fanovana entin’ny tanora.
Hetsika lehibe manana ny lazany ny FIA, maro ny fifanakalozana isan-karazany atao ary hitondra aingavao hatrany ny hetsika. Tonga eto an-toerana ireo mpisehatra iraisam-pirenena hampiroborobo ny fifanakalozana. Hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fisokafana amin’ny sehatra rehetra.
Henintsoa Hani