Ny 14 septambra 2024 hatramin’ny 16 marsa 2025 no ahitana ny fampirantiana ireo zavakanto mandravaka ny “Saison inaugurale Histoire de famille”. Fiaraha-miasa avy amina mpahay kanto maro samihafa no hahatanteraka izao hetsika izao.
Tontosa omaly, teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny tafa ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny ivontoerana vaovaon’ny Hakanto Contemporary eny Ankadimbahoaka, sy ny seho « Saison inaugurale Histoire de famille » izay hatao eny amin’ity ivontoerana vaovao ity. Ankoatra ireo tomponandraikitry ny Hakanto Contemporary sy ireo mpandray anjara amin’ny fampirantiana. Mpanakanto maro miangaly ny zavakanto ankehitriny no tonga nanotrona izany tafa ho an’ny mpanao gazety izany. Tanjona amin’izany ny hampahafantatra fomba vaovao hampiroboroboana ny zavakanto ankehitriny, amin’ny alalan’ny fandaharanasa vaovao nampakana endrika vanim-potoana. Izany indrindra no nanaovana ity hetsika ity ho santatr’izao ivontoerana vaovao izao.
Mitohy hatrany ny fampiroboroboana sy fanomezana sehatra ny haikanto isan-tsokajiny, ataon’ny avy eo anivon’ny Hakanto Contemporary. Araka izay maha fandaharanasa nampakana endrika vanim-potoana azy izay no nampisantarana ity fampirantiana ity ny ivontoerana vaovaon’ny Hakanto Contemporary. Fampirantiana izay ahitana rantin-javakanto miisa enina, manana ny maha izy azy. Anisan’izany ny “The Grief”, an’i Aude Onivola Rajaona. Ny “Avec elles” an’i Alexandre Gourçon, “Les Corps des volants à six étages” an’i Jessy Razafimandimby, « Mother » an’i Asma Ben Aissa sy Elie Ramanankavana, « This is my home » anehoana ireo zavakanto voafantina avy amin’ny Collection Yavarhoussen, “Joely sy Andy” an’Andrianina Rajoelisoa sy Andy Warhol.
Lin