INDRAY MIJERY

Manao fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ny valanaretina pesta isika amin’izao fotoana, ka mila fahamailoana tanteraka. Tokony hatao ireo fihetsika rehetra hisorohana ny aretina, toy ny fanadiovana ny manodidina ny tanàna, manatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy aretina mampiahiahy.
Hifarana, anio, ny atrikasa fandrafetana ny drafitra hanatanterahana ny asa ao anatin’ny paikady 2023-2027 hiadiana amin’ny aretina tazomoka. Hahafahana manatanteraka ireo asa fisorohana sy hiadiana amin’ny tazomoka ny tanjona. Mila manatona tobim-pahasalamana vantany vao mafana hoditra, matory anaty lay misy odimoka…
Nidinika ny fanatsarana ny fampianarana teknika eto an-toerana ny minisitra Rasoloarisoa Marcelline sy ny iraky ny OIF. Misy ny tetikasa “Inser’jeune” iarahan’ny roa tonta hahafahana manara-maso ny fifanojoan’ny tolotrasa sy ny fiofanana omena ny tanora. Nojerena ihany koa ny fivoaran’ny teknolojiam-pampianarana, fampizakan-tena ny vehivavy…
Nampahafantatra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, SENVH, fa hisy ny fikojakojana tsy maintsy hatao ka tsy maintsy atsahatra aloha ny jet d’eau eo amin’ny esplanade Miami, ao Toamasina. Nampanantena ny tomponandraikitra fa hiverina ihany izany any amin’ny fiafaran’ny herinandro any.

Partager sur: