Lasa lavenona avokoa ny fanaka niampy ny akora fampiasa amin’ny fanamboarana izany teny Isotry, omaly. Niainga avy tamin’ny trano iray tsy lavitra ny firehetana.
May avokoa ny seza, latabatra sy ny fanaka maro samihafa teny Isotry, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Naheno feon-javatra nipoaka tampoka avy amin’ny tokantrano iray tsy lavitra io toeram-panamboarana fanaka io ny mponina manodidina. Niredareda ny afo taorian’izay. Ahin’izy ireo ho avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra no niteraka ny tranga. “Ny maraina alohan’ ny hanaovana ny asa aman-draharaha ihany izahay no mandrehitra afo ao an-trano. Nijanona tao an-trano ireo zaza tamin’ny fotoana nitrangan’ny voina”, hoy ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray lasibatra. Tsy nisy aina nafoy. Trano roa, toeram-panamboarana fanaka niampy toeram-pametrahana entana levon’ny afo tamin’io fotoana io. “Tany amin’ny toeram-piasako aho no nahare ny vaovao ka tsy nisy entana azoko navotana intsony tao an-trano”, araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana anisan’ny niharam-boina.
Mirongatra ny haintrano
Nanomboka ny alatsinainy teo, nitrangana haintrano niisa valo teto Antananarivo Renivohitra. Fipoahan’ny herinaratra no fototry ny ankamaroan’ ny firehetana, araka ny fanazavan’ireo lasibatra. Anisan’ izany, ny fahamaizana tetsy amin’ny tsenan’ny Sinoa, Behoririka, haintrano teny Ampasika sy fivarotan’ny karana teo Andravoahangy, ny alatsinainy lasa teo. Vao afakomaly, nisehoana firehetana koa tany Toamasina. Ilaina fahamailoana hatrany ny fampiasana fitaovana mandeha amin’ny alalan’ny herinaratra sy fampiasana afo ao an-tokantrano. Tsy misy miangana avokoa
ny entana rehetra ho an’ny tokantrano lasibatra, matetika. Mananosarotra rahateo ny fifehezana ny afo satria ho an’ny tranga haintrano tetsy Isotry omaly, naharitra 2 ora mahery ny fifehezan’ny mpamonjy voina izany.
Tsiferana R.