Notokanana, omaly, ny toerana fanaovana karazana fanatanjahantena eny amin’ny kaominina Ambohimanga, nohavaozin’ny Fondation Axian. Fotodrafitrasa hahafahan’ireo tanora mivelatra amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izay fefy iray tsy hironan’izy ireo amin-javatra mamohehitra. Betsaka rahateo ny tanora mankafy fanatanjahantena ao an-toerana ka hanampy azy ireo ny fahavitan’ny fotodrafitrasa.
Mirefy 288 m2 ny toerana nohajarina. Ahafahana milalao baskety, volley-ball, kitra…Misy toerana hahafahan’ny mpijery mipetraka ny andaniny roa. Eo koa ny toeram-pivoahana sy fidiovana hifehezana ny fahadiovan’ny toerana. Nampiarahina amin’ ny fitaovana ampiasaina mandritra ny karazan-dalao ny fanolorana nataon’ny Fondation Axian, omaly.
Nankasitraka izany ireo tanora sy ray aman-dreny eny an-toerana. Satria, manampy be amin’ny fitaizana ny fisian’ny fotodrafitrasa. Toraka izany, ireo sekoly izay misitraka malalaka ihany koa ny toerana.
Zanak’Ambohimanga Rova ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, izay nanotrona teny an-toerana. Tsy dia tena misitraka fampandrosoana ny eo Ambohimanga nefa tsy dia alavitra an’Antananarivo, hoy izy. Misy tany 3ha azo hanaovana Oniversite hahafahan’ny tanoran’ny kaominina sy distrika manodidina mianatra ao an-toerana.
Marihina fa famaliana ny antso nataon’ny kaominina Ambohimanga izao nataon’ny Fondation Axian izao.
Tatiana A