Kaominina Mahitsy : Karatany 483 nozaraina

Niverina nisokatra ny 11 septambra teo, ny Birao ifo­ton’ny fananan-tany (Bif) ao amin’ny kaominina Mahitsy, rehefa nakaton’ny fanjakana ny 21 jona 2019. Tsy afaka nikarakara ny taniny ny tantsaha nandritra ny 5 taona, araka izany. Afaka miasa indray ny birao, ankehitriny, noho ny ezaky ny ben’ny Tanàna, Tiana Elvis. Miisa 483 ny tantsaha nahazo karatany ao amin’ny kaominina.
Nambarany, nohamarinina ireo antontan-taratasy rehetra efa nataon’ny mpitantana ny Bif teo aloha. Nangonina ny fitaovana ilaina ary naverina amin’ny laoniny ny kisari-tany avy amin’ny zanabolana ao amin’ny kaominina (Plof).
Notsindrin’ny ben’ny Ta­nàna fa, « fahavalon’ny fananan-tany ny dahalo ambony latabatra sy ny mpanefoefo, ka vahaolana manampy ny tan­tsaha ny lalàna vaovao, milaza fa tsy azo hakana titra ny tany raha tsy efa manana kara­tany”.
Nilaza Ramanandraisoa Elisabeth, fa tena ilaina ny karatany, ahafahana mamboly tsy misy ahiahy. Manentana ny mpiray monina izy handoa hetra satria marisarisa ny mpo­nina hatramin’ny 2019 noho ny mankaty noho ny fikato­nan’ny Bif. Afaka manatona ny biraon’ny Bif ny rehetra haka ny karataniny, manomboka anio 13 septambra. Na koa manao fangatahana ho an’ izay tsy mbola manana.

Njaka A.

Partager sur: