Be loatra ny fankalazana « Andro iraisam-pirenena » ataon’ny firenena marefo. Ny ankamaroany, famendrofendroana. Tsy mahavoasazy ny mamorona ny « Androm-pirenena ». Io rahateo no filan’ny firenena tahaka an’i Madagasikara… Noho izany, tokony hatao !
Saika rakotra « Andro iraisam-pirenena » ny fanisanandro! Izay tsy misy, hamoronana. Ny efa eo, hatevenina ny fomba fankalazana azy. Toy izany hatrany. Mifanitsy amin’ny kolontsaina malagasy ve sa tsia izy ireny? Tsy azo atao safobemantsina ny valin-teny. Tsy ho vita ihany koa anefa raha hosinganina tsirairay. Na izany aza, misy ampahan-tseho na tranga azo ambara ihany momba ity « Andro iraisam-pirenena » ity.
Ireo firenena matanjaka no mametraka azy io vokatry ny fahitany ny zava-misy maneran-tany. Anisan’ny tanjon’izy ireo amin’izany ny fampahatsiahivana fa nisy na misy zavatra tahaka izao na tahaka izatsy ange eto anivon’ny fiarahamonina e ! Mety ho famohazana tantara tiana hifantsika ao an-tsain’ny tsirairay, sns. Karazana fampitandremana ihany koa amin’ny fankalazana sasantsasany. Ohatra, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana ».
Rakofana « Androm-pirenena » ny taona diavina
… Raha mankalaza « Andro iraisam-pirenena » ihany, tsy aleo ve ireo manasoaso sy manome hasina ny maha Malagasy no marihina, toy izay ireo tsy fanta-pototra niaviana? Azo atao izany, fa ny tsara, mamorona « Androm-pirenena ». Ireo heverina fa hamerina ny Malagasy amin’ny fitiavany ny maha izy azy, hankalazaina avokoa. « Androm-pirenena ho an’ny teny malagasy », « Androm-pirenena ho an’ny kolontsaina malagasy », « Androm-pirenena ho an’ny fomba malagasy », « Androm-pirenena ho an’ny fihavanana malagasy », « Androm-pirenena ho an’ny soatoavina malagasy », « Androm-pirenena ho an’ny dihy malagasy ». « Androm-pirenena ho an’ny tantaran’i Madagasikara », sns. Raha rakofana « Androm-pirenena » avokoa ny 365 andro, mety mba hanana ny akony eo amin’ny maha Malagasy kosa angamba? Amin’izay fotoana izay, tsy atao endrika ivelany fotsiny fa idirana lalina isaky ny lohahevitra hankalazaina.
…« Androm-pirenena », ho an’ny inona avokoa no tsara hankalazaina eto Madagasikara? « Androm-pirenena ho an’ny fitiavan-tanindrazana », tsara, saingy mety ho savihin’ny mpanao politika!
HaRy Razafindrakoto