“Slam Poetry Individual Contest”: hisy fifaninanana hatao rahampitso

Tanterahina ny 14 septambra 2024, eny amin’ny Cerc­le Germano- Malagasy (CGM) Analakely, ny atrikasa sy fifaninanana “Slam poésie”. Hetsika karakarain’ny Mada­gaslam Section Tanà (MST), miaraka amin’ny avy eo anivon’ny CGM, izay miantsehitra amin’ny fampiroboroboana ny zavakanto tsy ankanavaka. Misokatra ho an’ny mpiangaly Slam rehetra ny hetsika, indrindra ireo vao misandratra sy maniry hiditra eo amin’ny sehatry ny matihanina. Tan­jona ny hampiroboroboana hatrany ity karazana zavakanto ity ho fanabeazana sy fitaizana, indrindra ny tanora.
Ambohi-pihaonan’ny fianakaviamben’ny “Slam Mala­gasy” indray ny eny amin’ny CGM Analakely, rahampitso. Atrikasa no handravaka ny fandaharam-potoana ny ma­raina ary fifaninanana “Slam Poetry Individual Contest” (Spic) kosa ny tolakandro. Tsika­ritra ihany koa ny fahalianan’ny tanora amin’ny “Slam”. Izany indrindra no na­naovana izao atrikasa maimaimpoana izao ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny talentan’izy ireo ary hahatongavany eo amin’ny matihanina.

Lin

Partager sur: