Mahery – Rija – Luk, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ny fiarahana amin’izy telo mirahalahy samy tompon’ny feo ireto. Raha misy ny andrasan’ireo mpamonjy “cabaret” ao amin’ity toerana ity, anisan’ny voalohany ity fiarahana ity. Mitety hira sy vanim-potoana maro izy ireo, ankoatra ny sanganasany manokana.
“Vendredi 13”, efa fotoana ifanomezana ho an’i Silo. Etsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina indray ny seho homanin’ity mpanakanto ity, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Tsy mitovy ny isaky ny zoma faha-13, na dia tsy maintsy misy aza izay fiarahana izay. Manomana tolotra hafa ho an’ireo mpankafy azy sy ireo mpankafy mozika marolafy i Silo.
“Jôkôs’Olympique” etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Ao anatin’ilay hetsika miompana amin’ny hatsikana manontolo ity seho izay hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany ity. Ny hampiavaka azy, hahazo vahana ny hatsikana amin’ny teny frantsay, hoentin-dry Gothlieb, Lanja Babeine, Toavina, Raitra Bellawick, Mamy Ralijaona, Julio Laurice, Joaly, Tsiresy, sns. Hitohy amin’ity faran’ny herinandro ity ny hetsika.
Ry Pral, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Tarika ivondronana tanora mpirahalahy, samy manan-talenta amin’ny mozika ny Pral. Samy manana ny karazana mozika ironany, na dia niainga tamin’ny fototra vakodrazana avy ao amin’ny Randria Ernest avokoa aza. Rehefa tafaraka kosa, manan-ko zaraina toy ny androany, manomboka amin’ny 8 ora alina, ry zalahy.