Tetikasa Agoa : manohana ny Malagasy ny Amerikanina

Tetikasa anisan’ny mitondra vokatsoa ho an’ny Malagasy ny Agoa. Anatin’ny fandrafetana ny drafitra momba izany ny fanjakana, ankehitriny.

“Nametraka drafitra i Madagasikara ahazoana manatsara ny fanondranantsika entana ma­n­kany amin’ny Agoa. An­kehitriny, noho ny fifandraisana tsara dia tsara eo amin’i Madagasikara sy i Etazonia dia misitraka fanampiana sy fanohanana ara-teknika avy amin’ny USAID i Mada­ga­sikara mba hahazoan’i Mada­gasikara mamarana io drafitra io, izay efa ampiasaina ankehitriny”. Izay ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny amin’ny fifandraisan’i Ma­da­gasikra sy i Etazonia eo amin’ny sehatry ny varotra. Ao anatin’izany drafitra izany, fanokafana ireo entana an­koatra ny lamba azo aondrana avy eto Madagasikara mankany Etazonia. Teo aloha, lamba sy akanjo ihany no tena naondran’i Madagasikara tao anatin’ny Agoa. Efa misokatra amina vokatra karazany efatra izany amin’izao, azo aondrana any amin’ny tsenam-barotra amerikanina. Misitraka soa aman-tsara an’izay lalàna izay i Madagasikara.
Azo lazaina fa mihatsara hatrany ny fisitrahan’ny Malagasy ny Agoa, izay lalàna fa tsy rafitra. Lalàna amerikanina manalefaka ny fanondranana entana avy amin’ny firenena mamaly ny fepetra takin’ny tsenam-barotra amerikanina ny Agoa. Fisitrahana fanondranana entana tsy andoavana haban-tseranana izany. Misy karazany roa ny fahazoana mampiditra entana any Etazonia ho an’ny firenena afrikanina: misy fanalefahana ny haban-tseranana aloa, eo koa ny fanafoanana ny haban-tseranana aloa amin’ireo entana avy aty Afrika mankany Etazonia.

R. Nd.

Partager sur: