VAOVAO TAMBATRA

Fotoana hanehoan’ireo mpamokatra ny fahaiza-manaony sy ny vokatra mampiavaka azy ny FIA. Hetsika ara-toekarena manan-danja sy hanasonga­dinana ny fanamby ho amin’ny fampivoarana ny tsena iraisam-pirenena ho an’ny Famokarana. Hita eny
an-toerana ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono ary ny vokatra voahodina vita malagasy. Mahe­rin’ny 150 ireo tranoheva mampiranty.

Hahatratra hatrany amin’ny 12 t/ha ny voka-bary azo avy amin’ny voly vary safiotra. Tetikasa entina hampiroboroboana ny vokatra eto Madagasikara ka hahatongantsika ho sompitry ny ranomasimbe India­nina sy aty Afrika. Haparitaka manerana ny Nosy ny masomboly ary hatomboka tsy ho ela ao Morondava ny tetikasa, amina velaran-tany 2000 ha. Hampiofanina ihany koa ny tantsaha hahay hifehy ny fomba fambo­lena.

Manao dinika ho fanomanana ny volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola 2025 ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hifampidinika momba ny tolo-kevitra ny rafi-panjakana ka hijery izay tokony ho hatsaraina sy tokony hitondrana fanitsiana. Hifampi­resaka ihany koa ny sehatra tsy miankina, aorian’izay vao hiverina hifanakalo hevitra ny roa tonta ka handray ny tolo-kevitra farany ho volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola.

Partager sur: