Ankasina : tranohazo sy ozinina indray kilan’ny afo

Ny akanjo teny an-koditra sisa! Kilan’ny afo ireo tranohazo ahitana tokantrano valo, teny Ankasina, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy 15 mn. Voalaza fa noho ny tandrevaka tao amina tokantrano iray no nitarika ny firehetana. Misy ozinina mpanao fanaka, mpikirakira bateria, mpanao vato, teo amin’ity toerana levon’ny afo ity. Tampoka ny firehetana ka tsy nahatafavoaka ny entana intsony ireo niharam-boina. Nijoalajoala rahateo ny afo ka anisan’ny nampananosarotra tamin’ny famoahana ny entana. Araka ny fanazavan-dRasolomanana Modesta, anisan’ireo niharam-boina, avy ao amin’ny trano iray no niaingan’ny afo. « May hatramin’ny karapanondro ka tsy nisy avotra intsony ny entana rehetra fa tapitra levon’ny afo », hoy izy. Nambaran’ny renim-pianakaviana iray kosa fa ny zanany narary teo am-pandriana no voabatany satria nahery ny fiakatry ny afo. Fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga teny an-toerana nanao ny asa famonjena ny teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina. Nitondra fanentanana hatrany ireto farany mba ho mailo amin’izao andro maina izao fa fotoana ahitana haintrano matetika izao, indrindra ny fisian’ny fahatapahan-jiro matetika.

J.C

Partager sur: