Baolina kitra – D2 Nasionaly: hotolorana lelavola 12 tapitrisa Ariary izay tompondaka

Mitotaly 30 tapitrisa Ariary ny loka hozaraina amin’ity fifanintsanana “D2 Nasionaly World Cola Ligue des Champions” ity. Mahazo amin’izany ireo klioba telo voalohany sy ireo mpilalao mendrika ary ny mpanazatra nahita vokatra tsara indrindra.

Nampahafantarin’ny mpitantana eo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) oma-ly, tetsy amin’ny orinasa Star Andraharo, ny vola omena ireo mpandresy amin’ny fifanintsanana diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions”. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo, hotolorana lelavola 12 tapitrisa Ariary izay klioba tompondaka, raha toa ka 8 tapitrisa Ariary ny faharoa. 6 tapitrisa Ariary kosa ny fahatelo. Tsiahivina fa efa ao anatin’ny dingana farany na ny “Poule des As” ny fifaninanam-pirenena amin’izao fotoana izao, ary hatao eto Antananarivo manomboka ny 18 hatramin’ny 29 septambra ho avy izao izany. Klioba efatra izy ireo no hiady io loka goavana io, anisan’izany ny FC Theo Sava, AS Fos Analanjirofo, ny FC Avenir du Sud Anosy ary ny FCA Ihorombe.
Amin’ity dingana farany ity, hisy ny fifanandrinana mandroso sy miverina, ary tsy hojerena intsony ny fifanandrinana mivantana raha sendra misy fitoviana isa. Izay voalohany sy faharoa amin’ity, miakatra ao amin’ny «Pureplay Football League (PFL)». An­koatra izay, tsara ny mampahatsiahy fa kianja roa no handray ireo lalao miisa 12 ireo, ny kianja manara-penitra Ambohidratrimo sy ny Elgeco Plus By-pass.
Tsara ny mampahafantatra fa ireo klioba efatra ireo, tsy mbola manana ny “Licen­ce Caf”, izay takin’ny kaonfederasiona afrikanina amin’ireo klioba rehetra eto Afrika.

1 tapitrisa Ariary ho an’izay mendrika
Tsy ho very anjara kosa ireo mpilalao sy mpiandry harato mendrika ary ny mpampiditra baolina betsaka indrindra, mandritra ny fifaninanana, araka ny fanambarana nataon’ireo mpitantana ny baolina kitra eto Madaga­sikara. Mahazo 1 tapitrisa Ariary tsirairay avy izy ireo amin’izany. Mitovy amin’io ihany koa ny vola azon’ny mpanazatra mendrika.

Fitia Randria

Ireo lalao rehetra

18/09/2024:
FCA vs AS Fos
Avenir du Sud vs FC Theo

20/09/2024:
AS Fos vs FC Theo
Avenir du Sud vs FCA

22/09/2024:
AS Fos vs Avenir du Sud
FC Theo vs FCA
24/09/2024:
FCA vs FC Theo
Avenir du Sud vs AS Fos

26/09/2024:
FCA vs Avenir du Sud
FC Theo vs AS Fos

29/09/2024:
AS Fos vs FCA
Avenir du Sud vs FC Theo

Partager sur: