FANTINA sy FINTINA

Sarotra be ny mamondrona olona noho ny fanaovana politika tsy misy ideolojia, raha ny fijerin’ny mpikamban’ny birao politikan’ny antoko Humaniste-écologiste, Ralambomahay Toavina. Vokany, mety ho marobe ny kaominina tsy misy kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina na ho kandidà tokana. Tsy mino ny antoko politika ny Malagasy matoa miparitaka be toy io.

Nodimandry teo amin’ny faha-55 taonany, afakomaly, ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Antananarivo Renivohitra, teo aloha, Ramanambitana Richard. Mpanao politika izy, mpandraharaha, mpampianatra. Mpitarika ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi) izy, ary loholon’i Madagasikara talohan’ny nanendrena azy ho PDS tamin’ny 27 febroary 2024.

Hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy mandritra ny Andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny 9 desambra 2024, ny paikady nasionaly hiadina amin’ny kolikoly (SNLCC) vaovao. Izy ity izay narafitra teto Antananarivo, ny 11 sy 12 septambra 2024. Ny tsy fahombiazan’ny paikady teo aloha no anisan’ny nanaovana izao paikady vaovao izao.

Nahazo ny mari-boninahitra ”Chevalier de l’ordre de la Légion d’honneur” avy amin’ny masoivoho Frantsay eto Madagasikara, i Michelle Rajaonera. Ity mari-boninahitra ity izay atolotra noho ny asa mendrika sy ny fanompoana nataon’i Michelle Rajaonera. Ny masoivoho Frantsay, Arnaud Gaullois, no nanolotra izany, omaly.

Partager sur: