Fifandonana mahery vaika: zandary naratra voatifitra ny dahalo

Nidiran’ny bala teo amin’ny tongony, noho ny tifitra nataon’ny olon-dratsy, ny zandary GHC iray tao Andiolava, afakomaly. Efa nahazo fitsaboana izy.

Zandary am-perinasa iray naratra mafy voatifitry ny dahalo tao Satrokala, kao­minina Andiolava, distrika Ihosy, faritra Ihorombe, afakomaly. Nanao fisafoana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy miisa telo no naharay antso fa misy andian-dahalo mikasa hangalatra omby. Nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana ireo, araka izany, ireo olon-dratsy tamin’ny 11 ora alina. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo mpandroba. Vaky nitifitra avy hatrany ireo dahalo. Namaly izany ny mpitandro filaminana. Vokany, voan’ny bala teo amin’ny faritry ny lohaliny ilany ny zandary iray. Nanao tongotra an-katoka nandositra ny fokonolona sy ny zandary ireo dahalo. Nanavotra ity namany naratran’ny bala ny zandary telo lahy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana tao amin’ny orinasa Toozigreen io mpitandro filaminana naratra io. Nalefa nihazo ny CHRR Ihosy, taorian’izay.

Tsy mifampitsitsy
Tao anatin’ny telo volana, nirongatra ny tranga faharatrana zandary am-perinasa vokatry ny fifandonana amin’ny dahalo. Ankoatra ireo naratra mafy, nisy nanaraka hatramin’ny ainy. Lasibatra noho ny fampiasan’ireo olon-dratsy fita­o­vam-piadiana mahery vai­ka izy ireo. Na izany aza, manao vy very ny ainy manoloana ny asan-dahalo eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy ireo toerana voasokajy ho faritra mena amin’ny halatra omby sy fakana an-keriny ny zandary. Manoloana ity tranga niseho tao Satrokala ity, efa nidina an-tsehatra nametraka paikady hanatrarana ireo dahalo sy hanamafisana ny fandriampahelamana ao an-toerana ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Ihorombe sy ny ekipany.

Tsiferana R.

Partager sur: