Ho fiatrehana ny “Miss Monde”: ho fantatra ny 28 septambra izay ho “Miss Madagascar 2024”

Nihemotra ny lanonam-pamaranana ny “Miss Madagascar”. Tsy maintsy hanana solontena hifaninana amin’ny “Miss Monde” kosa anefa isika, ka hatao tsy ho ela ny fifanintsanana farany.

28 septambra. Daty le­hi­be io, ho an’ireo tovovavy voafantina isam-paritra, ka hifaninana izay hisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagascar”. Hotontosaina ao amin’ny Canal Olympia Andohatape­naka ny lanonam-pamaranana, amin’io daty io. “Tsara homarihina fa miankina amin’ny fotoana hamaranana ny Miss Monde ny Miss Mada­gascar, ka izay no antony nampihemotra ny daty amin’ity andiany faha-9 ity”, hoy i Nicha, filoha lefitry ny komity Miss Madagascar.

Araka izany, ho avy eto Antananarivo hiatrika io lanonam-pamaranana io, ireo Miss avy amin’ny faritra 19, izay hanana solontena. Tsy hanana solontena ny faritra Betsiboka, Vatovavy, Alaotra Mangoro, Sofia ary Analan­jirofo, noho ny antony samihafa. Haharitra herinandro ny fijanonan’ireo tovovavy eto an-dRenivohitra, izay horaisin’ny komity sy ny DS Group an-tanana avokoa. Maromaro ny fandaharam-potoana anatin’izay, toy ny fanomanana amin’ireo “challenges” isan-karazany, ny fampahafantarana ny “Miss Monde”, fitsidihana toerana manan-tantara ary ny famerenana ny fiatrehana ny famaranana.

“Hatao daholo ny Chal­lenge rehetra any amin’ny Miss Monde amin’ity. Mahakasika ny Challenge World Designer, samy mifidy ny mpamoron-damaodiny ny Miss tsirairay, ka izay lany eo no mitondra ny azy, misolontena an’i Madagasikara koa any amin’ny Miss Monde”, hoy hatrany i Nicha. Fantatra ihany koa fa hitovy manomboka izao ny fisitrahana fampiofanana eo amin’ny “Miss” izay ho lany sy ny “Dauphine” roa, ka raha misy tsy fahafahan’iry voalohany, dia misolotena azy avy hatrany ny lefitra.
Tsy misy kosa ny fampiofanana hatao mialoha ny famaranana, fa fanamafisana izay traikefa sy fahaiza-manao an’ireo mpifaninana no hatao. Manamafy hatrany kosa ny mpikarakara fa mila vonona hatrany hiatrika ny fiomanana ireo mpifaninana.

Zo ny Aina

Partager sur: