Voasaringotra amin’ny lafiny fanodinkodinam-bola ny tale teo aloha an’ny Imvavet, misahana ny vaksiny ho an’ny biby. Niakatra teny amin’ny Bianco sy ny Pac ny raharaha.
Naharay fitarainana ny Birao miady amin’ny kolikoly (Bianco), mahakasika fanodinkodinam-bola nataon’ny tale teo aloha, nitantana ny Ivontoerana malagasy misahana ny vaksiny ho an’ny biby (Imvavet).
Nisy ny fanaraha-maso nataon’ny Fitantanana foibe ny fanaraha-maso ara-bola (DGCF) mahakasika ny fitantanana ara-bola tao amin’ny Imvavet, ny taona 2017 sy 2018. Nitatitra ity sampandraharaham-panjakana ity fa nisy ny fanodinkodinam-bola tamin’ny sara-pitsaboana, ny fikojakojana fiarakodia, ny saran’ny asa natao. Teo koa ny mahakasika ny tsenambarom- panjakana amin’ny famandrihana entana kojakoja sy ny fanaterana provandy sy ronono ho an’ny toeram-piompiana.
Miisa 6 ny olona voarohirohy amin’ity raharaha ity. Niakatra fampanoavana teny amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), ny 11 septambra teo. Hiampangana azy ireo ny fanodinkodinam-bola, fanaovana kitranoantrano ary fanomezana tombontsoa manokana. Naiditra vonjimaika any am-ponja ny tale teo aloha, ary nomena fahafahana vonjimaika ny olona 5 ambiny, miandry ny fotoam-pitsarana.
Tsy nanaraka dingana nandritra ny 20 taona
Raha zohina ny raharaha, nanao fanadihadiana lalina ny fitantanam-paritra Antananarivo ny Bianco taorian’ny tatitry ny DGCF. Fantatra fa tsy nisy mihitsy ny tsy fanarahana ny dingana tokony ho narahina amin’ny fitantanambolam-panjakana nataon’ilay talen’ny Imvavet, nanomboka ny fotoana nanendrena azy, nandritra ny 20 taona, izany hoe, ny taona 1999 hatramin’ny taona 2019. Olona akaiky ny ray aman-dreniny ny ankamaroan’ireo nahazo ny tsenambaro-panjakana. Manampy izany, noraisiny daholo ny asan’ny Tomponandraikitry ny tsenambaro-panjakana (PRMP), ny fitantanan-draharaha ary ny mpanome alalana.
Njaka Andriantefiarinesy