indostria : miantoka ny 15% ny harinkarena faobe

Manana karazana akora fototra azo trandrahina sy azo haodina i Madagasikara ho an’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny toekarena eto an-toerana. Anisan’ny miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fananany orinasa mpanodim-bokatra, hialana amin’ny fanafarana entana. Miantoka ny 15% ny harinkarena faobe rahateo ny indostrian’ny famokarana eto amintsika. « Kendrena ny hampiakarana an’izany ahafahana mamorona sanda fanampiny (valeur ajoutée), manokatra tsena vaovao ho an’ny vokatra eto an- toerana, ary hanome asa vaovao an’arivony », hoy ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, nandritra ny lahateniny tamin’ ny fanokafana ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Famokarana (FIA), afakomaly. Paikady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanodinana ny vokatra eny ifotony sy ny fanjifana ny vita malagasy. Hofaritana, araka izany, ny toerana hametrahana ireo ozinina hoentina mampiroborobo ny indostria eto amintsika.

Tohana
Miisa 82 ireo orinasa madinika sy salantsalany mpanodina ny vokatry ny tantsaha isaky ny distrika tamin’ny alalan’ny tetikasa Odof. Nisy ny tohana sy fampitaovana azy ireo, izay niteraka asa maherin’ny 1 000 ka nitondra tombontsoa eo amin’ny fari-piainan’ny mpamokatra. « Ilai­na amin’ny fanohanana ny fahefa-mividin’ny mpamokatra sy ny fientanan’ny toekarem-pirenena ny fanodinana ny vokatra eny ifotony », hoy hatrany ny minisitra.

Henintsoa Hani

Partager sur: