Mampitandrina ny Ceni : «Tsy mbola misy resaka fanemorana fifidianana izao»

Nitondra fanazavana momba ny feo miely amin’ny fanemorana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny mpampakatenin’ny Ceni. Tsy mbola misy resaka momba izany, araka ny filazany.

“Manoloana ny fanazavana nentin’ny tena amin’ny maha mpampakatenin’ny Ceni tao amin’ny RFI, diso ny filazana fa ny datin’ny fifidianana 11 desambra no eritreretin’ny Ceni hahemotra”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soa­va, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny resaka hoe hahemotra ny fifidianana ben’ny Tanàna. Nazava ny fanontanian’ny mpanao gazetin’ny RFI: azo eritreretina ve ny mety hanalavana ny fe-potoana fahazoana mandrotsaka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina izay tokony hifarana amin’ny 19 septambra, raha ny fahavitsian’ny mpandrotsaka izany amin’izao? Nanazava izy fa azo atao tsara ny mieritreritra an’izay, raha izay no takin’ny zava-misy. Tsy misy resaka fanemorana ny vanin’ androm-pifidianana izany, fa ny fanalavana ny fe-potoana fandrotsahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina raha izay no takin’ny zava-misy no noresahiny. Tsy misy antony tsy hahazoana manao izany. Mahafantatra ny tetiandro nofaritany ny eo anivon’ny Ceni, izay mbola heverina fa azo hiatrehana tsara an’izay fe-potoana farany fanaterana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny 19 septambra izay.
“Tokony hitandrina ny re­hetra eo anoloan’ny finiavan’ny olona sasany hampisavorovoro ny sain’ny mpiray ta­nindrazana, eo anoloan’ny finiavan’ny olona sasany ha­nely vaovao tsy marina”, hoy izy. Misy lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ahazoana manenjika ireo minia manely vaovao tsy ma­rina amin’ny sehatra isan-karazany.

R. Nd.

Partager sur: