Manomboka mahazo vahana eto Madagasikara ny fampidirana ho anisan’ny taranja ianarana, ny kolontsaina vahiny. Saba-droa lela! Raha ny tantara, ny famotehana ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy no anisan’ireo paikady nialoha lalana ny basy aman-tafondro nentin’ny vahiny nanimba ny Malagasy sy i Madagasikara. Rehefa narefo tany amin’ny Malagasy ny fahalalana sy ny fitiavana ny momba azy, natsofony amin’izay ny an-dry zareo vahiny… Lasa randra-mitarika hatramin’izao ka nahatonga an’i Madagasikara sy ny Malagasy ho tafiditra ao anatin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ankehitriny… Mila fitandremana, sao ny fampidirana ny fianarana ny kolontsaina vahiny any amin’ny taranja ianarana no vao mainka hanarian’ny taranaka Malagasy ireo fototra maha izy azy!
Ilaina ihany koa anefa ny mahafantatra ny kolontsain’ny hafa mba ahafahana mifanerasera aminy. Ny vanim-potoana sy ny zava-misy ankehitriny mihitsy no mitaky izany. Ho mora kokoa, ohatra, ny hifanerasera amin-dry zareo Sinoa (toekarena, fizahantany…), raha hay ny kolontsainy sy ny teniny.
Mila matanjaka tsara ny fahalalan’ny taranaka Malagasy ny momba azy ( kolontsaina, fomba amam-panao, tany, ny teny…). Izay vao miditra amin’ny fifehezana ny an’ny hafa. Fa raha mifamadika ireo, ho lasan’ny vahiny tsy ho ela ity Madagasikara ity!
HaRy Razafindrakoto