TARATRY ny KANTO

“Pho Tour” – eny amin’ny Aire du By Pass indray. Maromaro izay “cabarets” notontosaina teny amin’ireo toeram-pisakafoanana Pho teto Antananarivo izay. Anjaran’ny Pho Aire du By Pass indray ny anio, manomboka amin’ny 5 hariva. Hanafana izany ry Rija Ramanantoanina, Nanie, Bodo ary i Mahery. Mpanakanto samy kalaza ary efa zatra mpiray sehatra avokoa izy ireo.
Hifarana anio, eny amin’ny IFM Analakely, ny « Festival Temps Fort Danse », andiany faharoa. Hetsika izay nanomezana sehatra ireo mpanakanto mpandihy, sy nampivondronana ho iray ny tontolon’ny dihy eto Madagasikara. Soradihy iray “En attendant l’aube”, novokarin’ny avy eo anivon’ny IFM no handravaka ny lanonana famaranana izany hetsika izany.
Anisan’ny hetsika lehibe, ao anatin’ny « Jôkôsô Festival du rire » andiany fahefatra, ny fampisehoana eny amin’ny CCEsca Antanimena, hatao rahampitso. Saika handray anjara amin’io avokoa ireo sangany amin’ny hatsikana eto Madagasikara. Anisan’izany i Gothlieb, Francis Turbo, Dadavy, Aina Maharavo, Raitra Belaw’yck…
Mitohy hatrany ny atrikasa sy fiofanana mahakasika ny “Tremplin Madajazzcar”, eny amin’ny Fara West Faravohitra, ho an’ireo efa matihanina eo amin’ny tontolon’ny Jazz. Santatra ihany izy ity ary mbola hitohy ho an’ny sokajy rehetra. Natao ho fampiroboroboana sy fampiakarana ny lentan’ny fahaizan’ny mpiangaly Jazz eto Madagasikara izany.

Partager sur: