TSELATRA

Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano teny Ambohimanambola, omaly hariva. Tsy fantatra ny antony nahafaty io olona io hatreto. Nidina ifotony ny tomponandraikitra teo anivon’ny fokontany voakasika nizaha ny vatana mangatsiaka.
Voasambotry ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny mpamaky trano iray tao amin’ny fokontany Mahaimandry, kaominina Ambohijanaka, ny 11 septambra teo. Niditra antsokosoko tao an-trano io lehilahy io, kinanjo tsikaritry ny manodidina. Noraisim-potsiny izy taorian’izay.
Zazamenavava narian-dreniny teny Ivato ka hitan’ny fokonolona, omaly. Salama tsara ilay zaza saingy karohina ny reniny izay nahavanon-doza. Nandray an-tanana ny fikarakarana ilay zaza ny zandary nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana.

Partager sur: