VAOVAO TAMBATRA

Tokony hanafatra vary 430 000 taonina i Madagasikara ho an’ny taom-pamokarana 2024-2025 noho ny fatiantoka eo amin’ny famokarana sy ny tinady. Vinavinaina ho 3,410 tapitrisa taonina ny famokarana anatiny, raha toa 3,840 tapitrisa taonina kosa ny tinady. Na izany, tokony hahatratra 5,880 tapitrisa taonina ny famokarana amin’ity taona ity, raha 5,320 tapitrisa taonina izany tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina fa nanafatra vary 484 500 taonina isika ny taona 2023.

Hisy tohodrano hatsangana any amin’ny reniranon’i Mandrare, kaominina Mahaly, distrika Amboasary. Hamokatra herinaratra 1,9 MW ity tohodrano ity, hamatsy jiro ny tapany avaratr’Amboasary hatrany Ambovombe. Hisy koa fantsombe mirefy 330 km hamatsy rano fisotro sady hanondraka velarantany 16 000 ha. Miisa 500 000 ny mponina hisitraka ity tetikasa ity.

Natao ny 12-13 septambra ny fivoriana FISH4ACP, iarahan’ireo firenena eo anivon’ny Afrika, Caraiba, Pasifika (ACP). Nojerena manokana ny hanatsarana ny fari-piainan’ireo mpisehatra madinika anivon’ny jono sy ny fihariana anaty rano. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fivoriana i Madagasaikara, tamin’ny alalan’ny Tale mpanatanteraka ny « Centre de développement de l’aquaculture (CDA)” eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga.

Partager sur: