« Vavy Festival » : hasongadina ireo haikanto vita

Nisokatra nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 21 septambra 2024, ny fampirantiana « Vavy Festival, les archives de nos vies », tanterahina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Analakely. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Vavy Festival» izy ity, izay manome lanja ny vehivavy sy manasongadina ny maha izy azy ireo eo amin’ny sehatra maro. Ny zavakanto no hasongadina eny an-toerana, ao anatin’ity fampirantiana ity. Ho hita, mandritra izany, ny haikanton’i Dina Nomena Andriarimanjaka sy i Joey Arisoa ary i Na Hassi. Ankoatra ny fampirantiana, atrikasa sy velakevitra ary adihevitra maro samihafa, no handrafitra ny fandaharam-potoan’ny “Vavy Festival”.
Sary hosodoko, zavakanto vita amin’ny rary, lahatsoratrana poeta no mandravaka ny fampirantiana. I Dina Nomena Andriarimanjaka sy i Joey Arisoa ary i Na Hassi no miaraka handranty ny haikantony avy mandritra izany. I Dina Nomena Andriarimanjaka izay Malagasy mpanakanto misehatra eo amin’ny fanaovana hosodoko. Ny zavakanto vita amin’ny rary kosa no harantin’i Joey Arisoa, raha lahatsoratra sy tononkalo isan-karazany ny an’i Na Hassi.

Lin

Partager sur: