Volley-« Open 2è Division » : hanao famaranana ny ASI sy ny VBCD

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, ny lalao famaranana ho an’ny “Open 2é division Anala­manga”, taranja Volley-ball, sokajy lehilahy. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny ASI sy ny VBCD. Raha ny voka-dalao tamin’ny manasa-dalana, omaly, nandresy ny CSA, tamin’ny seta 3 no ho 0 ny VBCD, raha toa ka seta 3 no ho 0 ihany koa no nandavoan’ny ASI ny AVBC. Tsiahivina fa ekipa samy manana toerana tsara tamin’ity fifaninanana ity ireto hiatrika ny famaranana, anio, ireto. Araka ny fandaharam-potoana, hiady ny laharana fahatelo, anio, eny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, ny CSA sy ny AVBC, ho an’ny sokajy lehi­lahy hatrany.

Hifandona ny Squad 1 sy ny VBCD
Hiady ny lohany eo amin’ny vehivavy kosa, etsy andaniny, ny ekipan’ny Squad 1 sy ny VBCD, rehefa samy nandresy teo amin’ny manasa-dalana, ny alakamisy lasa teo. Eo amin’ny fiadian-toerana fahatelo kosa no hifanandrinan’ny Squad 2 sy ny CVB. Tsiahivina, nisongadina tamin’ity fifaninanana ity ny ekipan’ny VBCD izay samy hiatrika famaranana, na ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy.

Mi.Raz

Partager sur: