Mianatra anaty filaminana manomboka izao ny mpianatra 400 isa, ao amin’ny EPP Ankadinandriana. Vita ny fanavaozana ireo efitrano valo, niaraka amin’ny mpiray ombon’antoka tsy miankina mitsinjo ny fanabeazana ny zaza malagasy.
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanavaozana ny efitrano fianarana valo, efitrano vohi-piraisana sy ny toeram-pivoahana, eo anivon’ny EPP Ankadinandriana, ao anatin’ny fokontany Manjakamiadana. Tafiditra amin’ny tetikasa fanatsarana ny sekolim-panjakana eto Antananarivo ny tetikasa, izay niarahan’ny kaominina sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Fondation Viséo. Namatsy vola ny fanavaozana tanteraka ny Vondrona Andriantsitohaina sy ny fondation Hematlal Velijee (HV). «Teo aloha, vokatry ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, izay niorina ny taona 1876, tsy azo nampiasaina intsony ny efitranon-tsekoly ka tao amin’ny birao sy ny toeram-pisakafoana ary ny fitoeran’entana no nanohy fianarana ny kilonga ary mianatra tontolo andro», hoy ny talen-tsekoly, Ranaivoarisoa Yrina Seheno. Rehefa vita ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, niakatra 100% ny taham-pahafahana CEPE 2024 ka velom-pisaorana, noho izany, ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. «Ny taona 2022 no niara-dia tamin’ny fondation Viséo ny fondation HV tarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanany, Hematlal Sanjeev, hanao asa sosialy mipaka amin’ny vahoaka, indrindra ireo sahirana. Tafiditra amin’izany ny fanavaozana sy fanorenana efitrano fianarana maro manerana ny Nosy», hoy ny talen’ny fifandraisana ao aminy, Poobhalen Pyneeandee. 3 000 ny isan’ny mpiara-miasa amin’izy ireo eto amintsika amin’ny sehatra maro: tontolo iainana, fanabeazana, trano fonenana. Nanomboka ny taona 2022, nahatratra 25 000 ny zanakazo voatsatoka hiarovana ny tontolo iainana.
Hanome kahie 500
Ho an’ny EPP Ankadinandriana manokana, efa nanorina efitrano telo vaovao, efitrano Soavelona ny fondation Viséo sy ny mpiray ombon’antoka maro, ny taona 2022, ary teo no teraka ny hevitra fa hatsaraina ny efitrano fianarana valo ahafahan’ny mpianatra 400 manohy fianarana anaty filaminana. «Ankoatra ny famatsiana ny fotodrafitrasa, mbola hanome kahie 500 ny Vondrona Andriantsitohaina ho fanampiana ny ray aman-dreny», hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, izay nanotrona ny fandraisana ny asa fanazaovana. Nanolotra sakafo 360 fonosana ihany koa ny fondation HV, omaly.
Vonjy A.