Akany Arivonimamo : nampian’ny Amerikanina ireo zanaka zandary

Nahatsiaro manokana ireo ankizy beazina ao amin’ny Akanin’ny zandarimariam-pirenena ao Arivonimamo ny masoivoho amerikanina, amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao. Niaraka tamin’ny ekipany, ny masoivoho i Pierangelo Claire, nanatitra fitaovam-pianarana sy sakafo ho an’izy 84 mianadahy zanak’ireo zandary lavo am-perinasa tezaina ao amin’ny akany. Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny akany no natao ary fampaherezana ireo ankizy hahatozo hatramin’ny farany ny taom-pianarana, hanana fikirizana amin’ny fianarana hatrany. Tonga teny ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny filaminana, ireo miaramila amerikana, ny sampana serasera sy fahasalamana…
Niara-nilalao sy niara-paly tamin’izy ireo, ho fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo mpiasan’ny masoivoho, ireo mpianatra. “Zava-dehibe ny herin’ny fanabeazana amin’ny famolavolana ny hoavin’ny ankizy sy ny fampirisihana azy ireo hilofo hatrany hanatanteraka ny nofiny”, hoy ny masoivoho amerikanina, i Pierangelo Claire.
Porofon’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana sy amin’ny fanohanana ny tanora malagasy hanana hoavy mamiratra ihany koa ny hetsika.

Tatiana A

Partager sur: