Ambatomanoina : tafaporitsaka ireo olona roa nalain’ny daholo an-keriny

Nanao tari-dositra teny amin’ny dahalo naka azy ho takalonaina ireo olona miisa roa lasibatra, ny 22 jolay lasa teo. Karohina ireo olon-dratsy.

Tafatsoaka teo am-pelatanan’ireo dahalo mpaka an-keriny, ny zoma hariva teo, ireo olona roa nalaina an-keriny. Ny 22 jolay 2024 tamin’ny 9 ora sy 30 mn no lasan’ireo mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambatomanoina, distrika Anjozorobe, izy ireo, kanjo tafaporitsaka tampoka tao amin’ny toeram-piompiana omby, ao Kelimahery Ambolo­tarakely, distrika Anjozorobe. Tsy nisy fandoavam-bola, araka izany, nataon’ny fianakavian’izy ireo na teo aza izany fitakiana nataon’ny malaso izany. Efa tonga any amin’ ny fianakaviany, ao Antsakay, fokontany Maromandia, kaominina ambanivohitr’An­taka­vana, tamin’io alina io, izy ireo. Ireo mpitandro filaminana manao ny hetsika «OPS Coups de Poing” ao Amba­to­haranana, fokontany Ambohi­tsi­taitaika, Beronono, no nian­tsoroka ny fiarovana tamin’ny fanaterana azy ireo teo am-pelatanan’ny fianakaviany. Mitohy ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary ireo malaso.

J.C

Partager sur: