Androhibe : tratra ireo efa-dahy mpangalatra moto

Efa-dahy tra-tehaky ny polisy teo am-pangalarana moto tao Androhibe, boriborintany fahadimy, ny 12 septambra teo. Mivelona amin’ny asa fibatabatana entana izy efa-dahy ireto saingy mangalatra moto tampoka rehefa misy mipetrapetraka. Nisy nahatsikaritra tampoka anefa ny fihetsik’ireto mpandroba. Nibata ny moto izay tsy azy ireo izy efa-dahy. Tsy lavitra ny mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny izy ireo. Natolotra ny tompony ny moto.

Tsiferana R.

Partager sur: